Toekarena

International Fair Tourism Madagascar 2019 Andrasana ny akony eo amin’ny fizahantany


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Nifarana omaly alahady 16 jona ny hetsika fampirantiana momba ny fizahantany ITM andiany fahavalo nokarakaraina teny amin’ny CCI Ivato. Mpandray anjara miisa hatrany amin’ny 300 no nampiranty ny tranohevany teny ary nahatratra 15 000 ny mpitsidika.

 

 

Marobe ny tolotra ara-pizahantany nampahafantarin’ireo mpandraharaha mpisehatra ary nahafahan’ireo mpitsidika nahita ireo zava-baovao maro tsara ho fantatra. Manodidina ny 60 isa ireo Agences de Voyage namaly ny antson’ny Ofisy Nasionalin’ny Fizahantany eto Madagasikara (ONTM) izay hiezaka hampiseho hatrany ny fahatsaran’i Madagasikara mba hisintonana mpizahatany. Ankoatra izay, nahatratra 50 mahery ny kaonferansa natao nahafahan’ireo mpandraharaha nitsirika izay mety ho famatsiam-bola mety ho azo, indrindra ny hitadiavana tsena avy any ivelany.  Afaka nampiditra mpizahatany 1 500 000 ny Nosy Maorisy nefa kely noho i Madagasikara, hoy ny filoham-pirenena tamin’ny fandalovany teny ka tsy maintsy hihoatra lavitra ny 300 000, izay anisan’ny mpizahatany amin’izao,  izany mandritra ny 5 taona. Paikady hampitomboana ny isa ny fanamboarana ny lakandranon’i Mpangalana. Tsiahivina fa vahiny nasaina manokana tamin’ity ITM andiany fahavalo ity ny Indonezia izay niezaka nampiseho ny maha izy azy nandritra ny 4 andro. Amin’ny fialantsasatra lehibe amin’ity taona ity ihany dia ho hita eo izay vokatra nentin’ny ITM koa dia samy miandry ny rehetra.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT