Toekarena

Indostrian’ny lamba Ho jerena manokana ny fiarovana ny fahasalaman’ny mpiasa


  • Talata 26 Febroary 2019

Tompon’andraikitra ambony maherin` ny 30 isa eo amin' ny minisitera isan-karazany (Laboratoara, Fahasalamana, Fambolena, Varotra ary Indostria) ary fikambanana nifandraika tamin'ny fampiroboroboana ny fiarovana sy ny fahasalamana amin'ny asa (SST)

 

 

 eto Madagasikara sy ireo mpiara-miombon'antoka sosialy no nanatanteraka atrikasa omaly tetsy Antaninarenina noho ny fiarahamiasa amin'ny hetsika eo amin'ny rafi-pandaminana momba ny fiarovana sy ny fahasalamana eo amin'ny sehatra ao amin'ny tolotra ara-teknika eto Madagasikara. Ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Asa (OIT) dia manohana ireo mpisehatra amin'ny lodsia sy ny seha-pihariana momba ny lamba amin'ny ezaka ataon'izy ireo hampihenana ny loza, ny ratra sy ny aretina amin'ny asa ary ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo amin'ny toeram-piasana. Amin' izany, ny OIT dia nametraka ao amin' io sehatry ny lamba io ny fomba fijeriny amin`ny fandrisihana sy ny tsy fitoviana amin'ny fanatsarana ny fiarovana sy ara-pahasalamana (SST) amin' ireo sehatra famantsiana iraisam-pirenena(CAM). ty fomba fiasa ity dia misy dingana telo izay ahitana: ny fifantenana ny singa kendren' ilay tetikasa; ny sarin-tanin` ilay sehatra; ny fandalinana ireo faneriterena hanatsarana ny SST alohan'ny hanaovana fanentanana hanatsarana ny fepetra mifanandrify amin` izany. Amin` izao, tafiditra ao anatin`ilay dingana fahatelo i Madagasikara. Nitondra fanazavana mahakasika ny SST nandritra an` ilay atrikasa, Rtoa Ana Catalina Ramirez sy Atoa Frédéric Laisné- Aeur, izay manampahaizana manokana avy amin` ny OIT Foibe any Geneve Soisa. Ny atrikasa dia nanangona fanehoan-kevitra sy soson-kevitra avy amin'ireo mpiray antoka ao amin'ny sehatra ara-barotra sy ny tontolo iainan'izy ireo, ary koa ny fandinihana sy ny fampidirana azy ireo amin'ny dika farany momba ny hetsika hoenti-manatsara ny SST amin' ny tolotra ara-teknika eto Madagasikara

 

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT