Toekarena

Indostria sy varotra Omena sehatra bebe kokoa ny distrika


  • Alarobia 17 Jona 2020

Nanipika ny ezaka nataony ny governemanta teo amin`ny fiarovana ny mpanjifa indrindra noho ny fisian’ny valanaretina COVID-19.

 

 

 

 

Natao tsy miato ny fanaraha-maso akaiky ataon’ireo tompon’andraikitra ao amin'ny minisitera miadidy ny varotra marerana ny Nosy amin’ireo vidin’ny entana eny an-tsena sy ny fisian'ny vary eny amin'ny mpamongady ka nandraisana fepetra hentitra ireo toerana misy vidim-bary niakatra tsy ara-dalana. Natomboka ny taona 2019 ny fanisana ny mpanao asa-tanana mba hampidirana azy ireo eo amin' ny sehatry ny toekarena manara-drafitra. Karatra nomerika 150 000 isa no tanjona isan-taona. Efa miroso ny fananganana ireo Zone d’Emergence Industrielle na ZEI any Moramanga sy ny Zone d’Investissement Industiel na ZII any Itasy. Hatomboka ihany koa ny fananganana ny “Village artisanal” lehibe eny Ivato amin’ny velaran-tany mirefy 2,5 Ha. Hatomboka koa ny fanatanterahana ny tetik’asa “One District, One Factory”. Izany hoe hatsangana eny anivon’ny distrika tsirairay ny orin’asa mpanodina vokatra mifanaraka amin’ny vokatra eny an-toerana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT