Toekarena

Indostria Malagasy Misedra olana amin’ny fidiran’ireo vokatra vahiny


  • Alarobia 21 Novambra 2018

Na dia miezaka manandratra ny vokatra tena Malagasy aza ireo indostria misy eto amintsika dia misedra olana goavana ihany izy ireny.

 

 

 

 

Noho  ny fitobahan’ireo vokatra vahiny avy any ivelany no mahatonga izany, izay mamono mahafaty ny tsenan’izy ireo mihitsy indraindray. Anisan’ny misedra olana ny kaompania Vidzar  ahitana ny orinasa mpamokatra zava-pisotro Dzama. Ho azy ireo manokana mantsy dia efa voasivana avokoa ary azo antoka fa tsy hankarary ny mpanjifa ny vokatra vokariny, mazava amin’ny alalan’ireo soratra mipetaka amin’ny tavoahangy hamidiny. Mifanohitra amin’izay kosa anefa ireo karazam-bokatra avy any ivelany izay tsy fantatra intsony ny soratra amin’ireo karazana tavoahangy misy ny zava-pisotro hamidiny nefa dia miparitaka sy mahazo vahana eto amintsika, hoy Rtoa Olivia Randrianarisoa, tompon’andraikitry ny serasera ao aminy. Miantso ny fandraisan’andraikitry ny Fitondram-panjakana manoloana ireo vokatra vahiny mitobaka eto amintsika, araka izany, izy ireo hahafahany mivelatra sy miaina ara-dalàna. Tsiahivina fa mandray anjara feno amin’ilay vitrine de l’industrie tanterahina etsy amin’ny parvis hotel Analakely izy ireo nanomboka omaly.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT