Toekarena

Indostria eto Madagasikara « Tokony hamoraina ny fepetra amin’ny famatsiana ara-bola”


  • Zoma 20 Martsa 2020

Notanterahina omaly ny atrikasa nanehoana ireo vokatry ny andiany faha 4 amin’ny mari-drefy entina handrefesana ny Indostria eto Madagasikara (Barometre de l’Industrialisation à Madagascar).

 

 

 

 Isan` ireo nandray anjara tamin’ izany ny Antenimierandoholona noho ny maha mpisolo tena ireo vondron-draharaha ara-toekarena sy ara-tsosialy an’ity andrimpanjakana ity. “Tokony hamoraina ny fepetra rehetra amin’ny famatsiana ara-bola amin’ny sehatry ny ara-indostria ary koa tokony ho afaka miatrika ireo karazana olana ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro ny sehatra ara-pambolena izay fototry ny sehatra ara-indostrialy” hoy ny Filohan’ ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao. Nitondra ny heviny ihany koa ny loholona Rakotozafy Martin Filohan’ny Vaomiera misahana ny ara-tsosialy, ara-koltoraly ary ny serasera eo anivon’ny Antenimierandoholona, ka nanamafy fa “tsy tokony hamaivanina ny fampiroboroboana ireo sehatra eny ambanivohitra satria ireo no fototra voalohany ahafahana mampandroso ny sehatra ara-indostrialy eto Madagasikara”. Ny minisitry ny indostria, ny varotra ary ny fanjifàna, Lantosoa Rakotomalala, no nitarika izany atrikasa izany ka ny “fiaraha-mientana ho amin’ny fampiroboroboana amin’ny fomba maharitra ny indostria eto Madagasikara” no lohahevitra tamin` izany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT