Indostria eto Madagasikara

Betsaka no mety hikatona noho ny delestazy


  • Alakamisy 03 Oktobra 2024

Mizaka ny tsy eran’ny aina eo anatrehan’ny krizin’ny herinaratra eto Madagasikara amin’izao

fotoana izao ny tontolon’ny indostria. Ahiana hiteraka fiantoana ara-teknika amin’ny orinasa sasany ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny, raha ny resaka nataon’ny Filohan’ny Sendikan’ny Indostria Malagasy Atoa Tiana Rasamimanana tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray omaly. Henjana ny fividianana solika, ary maro amin’ireo orinasa no tsy manana fahafahana mividy milina mpihary herinaratra manokana.Mangataka ny hanajan’ny Jirama ny fandaharam-potoana hahatapahan’ny jiro havoakany ny sendikan’ny Indostria satria miainga amin’iny no handaminana ny fampiasana ny mpiasa sy ny famokarana. Nandefa taratasy any amin’ny Minisitry ny indostria ihany koa, ka mangataka ny tsy handoavana haba amin’ny fividianana milina mpihary herinaratra. Manampy ny fampiakarana ny saran’ny herinaratra, saingy ampiharina tsikelikely ao anatin’ny 3 taona izy ireo mba tsy hiteraka fipoahana be any saran’ny famokarana sy vidin’ny entana vokariny. Hihaona amin’ny Vondron’ny mpamatsy vola ny SIM anio hiezaka handresy lahatra amin’ny famatsiana ara-bola ny Jirama hahafahana manarina azy. Ny volana aogositra no nanaovana serasera nipoapoaka tany Vienne Autriche fa tompondakan’ny indostria ny Fitondrana sy ny Filoha Rajoelina ny aogositra 2022 ka indostria alefa amin’ny delestazy ? Mbola tsy tafarina ny takaitran’ny coronavirus, dia mandravarava ny delestazy. Tsy ny sehatry ny indostria ihany, fa ny seha-pihariana rehetra mampiasa herinaratra no tapitra mikoroso fahana, ary betsaka no efa maty. Potika ny fihariana samihafa, betsaka no very asa,… fa tsy rototra firy ny mpitondra. Resaka ambony latabatra sy serasera no betsaka.
Toky R

Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT