Toekarena

Indostria ao Ambatofinandrahana Manomboka miakatra ny menaka


  • Talata 19 Aprily 2022

Iray amin'ireo indostria madinika hita ao Ambatofinanandrahana ny ozinina fanodinana ny voanjo ho lasa menaka.

Nisokatra sy niditra tamin'ny andrana vao tsy ela akory tamin'ny alalan'ny koperativan'ny tantsaha, ary efa manomboka miakatra ny menaka ankehitriny. Tafiditra anatin'ny fanatanterahana ny Taniketsa Indostrialy izay eo ambany fiahian'ny Minisiteran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ity orinasa kely mamokatra menaka ity. Mifandraika ihay koa amin'ny ODOF (One District One Factory) na distrika iray tokony hisy indostria iray farafaharatsiny. Hanodinana ny vokatra miakatra ao an-toerana, sady hanosehana ny famokarana. Faritra isan'ireo be voanjo rahateo ny ilany atsimo andrefan'ny Faritra Amoron'i Mania. Mamokatra voanjo hatrany amin'ny 500 taonina isan-kerinandro ny Kaominina Mandrosonoro sy Amborompotsy rehefa miaka-bokatra dia ny volana mey, jona, jolay ary aogositra, raha ny fanamarihana.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT