Toekarena

HYDELEC Sahanivotry Hamokatra herinaratra hatramin’ny 20 MW


  • Sabotsy 16 Septambra 2017

Tsy mbola mahavaly ny filan’ny sarambabem-bahoaka ny herinaratra vokatra eto Madagasikara.

 

 Raha ny antontan’isa dia vao ny 15%-n’ny Malagasy ihany no mba misitraka izany nefa mbola eo ny delestazy isan’andro. Hampiakatra ny tanjaky ny herinaratra hovokariny ny Hydelec ao Sahanivotry-Manadona, distrikan’Antsirabe faharoa, izay tantanin’ny orinasa Tozzi Green ankehitriny. Efa an-dalana ny fanatsarana sy fampitomboana azy amin’ny fanampiana ireo fitaovana ao an-toerana ka kendrena ho vita any amin'ny taona 2018, raha ny fampahafantarana nataon’ny tompon’andraikitry ny Tozzi Green, nandritra ny fihaonany tamin'ireo manampahefana avy ao Vakinankaratra tao amin'ny biraon'ny Faritra. Ezaka goavana imasoan'ny fitondram-panjakana ny fanapariahana ny herinaratra sy hampitomboana azy eto Madagasikara, ka vonona izy ireo hifanome tanana. Raha ny fantatra moa dia mbola 15 Megawatts no tanjaky ny herinaratra vokarina  ka nanapa-kevitra izy ireo ny hampitombo izany hatrany amin'ny  20 Megawatts. Mamatsy mivantana ny JIRAMA moa ny vokatra herinaratra avy any Sahanivotry-Manandona. Hatreto dia mbola mandeha mivantana aty Antananarivo ny herinaratra, ka ny ambiny tsy lany no miverina any Antsirabe. Andrasana kosa aorian'ny asa fanitarana ny hitomboan'ny anjara herinaratra ho an'Antsirabe, izay iaraha-mahalala fa manana filana ambony dia ambony kokoa noho ireo orinasa goavana sy maro eto amin'ity renivohitr'i Vakinankaratra ity.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT