Toekarena

Hotely eto an-drenivohitra Ampiasaina ny teknolojia amin’ny famandrihana toerana


  • Zoma 08 Aprily 2022

Tsy mitsaha-mivoatra ny teknolojia. Amin’ny alalan’ny finday monja dia efa hahavitana zavatra maro toy ilay "application version beta"vaovao vao novokarin'ny kaominina Antananarivo renivohitra.

 Azo kirakiraina amin'ny alalan’ny finday izy io, tolotra hahafahanao manao famandrihana ireo trano fisakafoana sy trano fandraisam-bahiny eto an-drenivohitra arahin’ny fahafantarana ny sarany.Vokatry ny fiaraha-miasan'ny "Fédération des hôteliers et Restaurateurs de Madagascar-FHORM" sy ny kaominina no angady nananana sy vy nahitana izany.Trano fisakafoanana sy trano fandraisam-bahiny mahatratra hatrany amin'ny 300 isa no efa voarakitra ao anatiny lisitra ankehitriny ankoatra ireo izay mbola an-dalana.Antony iray lehibe nametrahana ity tetikasa ity moa ny hahafahana miomana sahady amin'ny fampiantranoana ny Lalaon'ny Nosy hatao amin'ny taona 2023 eto amintsika. Miantso sahady mana-talenta sy fahaiza-manao momba ny famoronana anarana sy sary famantarana araka izany ny kaominina Antananarivo renivohitra mba hanolotra soso-kevitra miaraka amin’izy ireo.
Pati
Legende : Manga ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny "Fédération des hôteliers et Restaurateurs de Madagascar-FHORM
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT