Toekarena

Hotel Carlton Anosy Hanomboka rahampitso ny Salon du Chocolat


  • Zoma 08 Aprily 2022

Hotanterahina rahampitso sabotsy 09 aprily etsy amin’ny Hotel Carlton Anosy ilay Salon du chocolat et de la gourmandise andiany fahaefatra, karakarain’ny fikambanam-behivavy mpanao asa soa Wdnesday Morning Group.

 Hahatratra 30 isa ny mpandray anjara amin’izany, hetsika natao hampitomboana ny kitapom-bolan’ny fikambanana amin’ny asa soa hiantsorohany. Raha araka ny fanazavan-dRamamonjisoa Chapuis Solange, filohan’ny fikambanana WMG dia natao indrindra ity hetsika ity hampahafantarana ny Malagasy ny tsiron’ny cacao vokarintsika eto Madagasikara. Anisan’ny cacao tena tsara indrindra maneran-tany ny cacao Malagasy raha araka ny fanazavany ka na ireo firenena any ivelany aza dia saika misitraka sy mankafy izany. Rariny hoy izy raha mba misitraka izany ihany koa ny Malagasy no sady natao ho zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra ny vidiny. 5.000 Ar ny saram-pidirana ho an’ny olon-dehibe raha tsy mandoa kosa ny ankizy latsaky ny 12 taona. Anisan’ny asa soa hiantsorohan’ny fikambanana moa ato ho ato ny hanamboatra sy hanavaozana ireo toeram-panasan-damba eo ambany fiahian’ny kaominina Antananarivo renivohitra entina hanampiana ireo reny mananontena.
Pati
Legende : Chapuis Ramamonjisoa Solange, filohan’ny fikambanam-behivavy Wednesday Morning Group
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT