Toekarena

Hosoka amin’ny lavanila 500 miliara Ariary ny fatiantoky ny fanjakana


  • Alarobia 06 Jolay 2022

Misokatra ny taom-piotazana lavanila. Efa nisantatra izany nanomboka ny 2 jolay ny tao amin’ny Faritra Vatovavy raha toa ka ny 7 jolay ny an’ny SAVA sy Analanjirofo.

Tafakatra 2 950 taonina ny vokatra naondran’i Madagasikara nandritra ny taom-piotazana 2021-2022, izay sokajina ho betsaka indrindra tato anatin'ny 5 taona ary nampidi-bola 590 tapitrisa dôlara. Na izany aza fantatra fa manodidina ny 500 miliara Ariary ny fatiantoky ny fanjakana noho ny hosoka ataon’ny mpandraharaha mpanondrana lavanila sasany. Orinasa telo no efa fantatra fa mpanao hosoka ary tsy manara-dalàna eo amin’ny fikirakiràna ny vokatra sy ny fanondranana ary ny famerenana ny vola vahiny araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. “Handraisana fepetra hentitra ireo orinasa mpanao hosoka ireo ka hampidirina anaty lisitra mainty tsy hahazo fahazoan-dalana hanondrana lavanila intsony. Hosintonina amin’ireo mpanondrana lavanila tsy manaja ny vidy farany ambany 250 Dôlara ihany koa ny fankatoavana», hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy nandritra ny dinika momba ny lavanila tany Paris - Frantsa ny 4 jolay teo nanoloana ireo mpividy lavanila malagasy avy any Etazonia sy Eorôpa. Vavolombelon'ny fifampiresahana sy ny fifampitam-baovao samihafa tamin’io ny senatera filoha lefitry ny Antenimierandoholona Faritra Avaratra, Eric Besoa Lambert, ity farany izay fantatra efa ela fa mpandraharaha matihanina mahafantatra tsara momba ity resaka lavanila ity, izay avy any Maroatsetra. Nitondra ny hevitry ny tantsaha mpamboly lavanila nandritra io fihaonana tao Paris io koa ny depioten'i Madagasikara voafidy tao Sambava, Mamangy Norbert na Jack. Sambany no nisy tahaka izao teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nohamafisin’ny minisitra fa tsy misy ny ampihimamba amin’ny fandraharaha lavanila. Ezahina ny hamerina amin’ny laoniny indray ary hametraka amin’ny toerana ambony sy voalohany maneran-tany ny vokatra lavanila avy aty Madagasikara ary tsy maintsy miverina ho an'ny tanindrazana ny vidin'ny vokatra lavanila ao aminy, hoy izy.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT