Toekarena

Holijaona Rabaonarijaona “Tokony hiteraka tombontsoa ho an’ny Malagasy ny IEM”


  • Zoma 25 Mey 2018

Omaly alakamisy 24 mey no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’nyhotely Carlton ny famelabelarana arahina adihevitra momba an’ilay vina IEM nataon’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina.

 Manoloana ny fahantrana mihoapampana eto Madagasikara dia nanambara Andriamatoa Holijaona Raboanarijaona, filohan’ny Plateforme Emergence Madagascar, fa tokony hitondra tombony amin’ny vahoaka Malagasy ity vina ity amin’ny vahaolana rehetra raiketiny. Anisan’izany ny fijerena maika ny fidinan’ny sandam-bola Malagasy noho ny tsy fahampian’ny fidiram-bolan’i Madagasikara amin’ny sehatra fanondranana. Iaraha-mahalala fa be loatra ny vola mivoaka eto amin’ny firenena ateraky ny fanafarana ary mahatonga fatiantoka ara-barotra mandrakariva ho an’ny Malagasy izany. Ankoatr’izay dia tsy ampy ny famoronana asa ary na misy asa aza dia tsy mahavelona ny karama raisina. Natao ity IEM ity ho fametrahana ny drafitra sy ny tetika rehetra ahatongavana amin’ny fisandratan’ny firenena, hoy ihany izy. Ary amin’ny maha mpahay toekarena azy dia nanambara Andriamatoa Holijaona Raboana fa azo tanterahina tsara eto Madagasikara ity vina ity. Manana ny fenitra ahafahana misandratra i Madagasikara satria na ny resaka varotra aza dia efa ao anatin’ny kolontsain’ny Malagasy. Nilaza ihany koa izy  fa ilaina aloha ny fanadiovana ny fitantanana ny raharaham-panjakana rehetra ary rehefa izay dia handeha ho azy ny fanarenana ny toekarena. Fanarenana izay hifototra amin’ny fanovana amin’ny ankapobeny mihitsy tahaka ny hoe raha mpanafatra foana isika taloha dia ezahana ny ho mpanondrana vokatra efa vita indray. Ho voavaha, araka izany, ity fitotongan’ny ariary ity izay mampidina hatrany ny faripiainan’ny Malagasy satria hitodika betsaka any amin’ny sehatra fanondranana ny firenena. Manoloana ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany kosa dia nanambara izy fa tsy afaka mitoka-monina ny Malagasy fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny vahiny. Saingy tsy  tokony hiankin-doha be amin’izy ireo amin’ny ara-bola, amin’ny fahaiza-manao, ary ny ara-teknolojia tahaka ny misy amin’izao fotoana ny firenena.


Tsiry

                                                                         

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT