Anisan’ny tombony be ho an’i Madagasikara ny fananany natiora miavaka sy mponina izay afaka miasa tsara sy mafy. Hatreto anefa dia tsy hain’ny mpitondra fanjakana ny manome lanja sy vahana izany ary tsy misy akony amin’ny toekarena mihitsy. Tahaka ny tsy misy vahaolana mihitsy ny sehatra fambolena sy ny indostria, izay hita ho mikatso hatrany kanefa tena iankinan’ny toekarena .
Ireo sehatra ireo izay tokony hojerena manokana ary azo anankinana ny ho avy ho an’i Madagasikara raha mahay ny mpitantana ny firenena. Amin’izao fotoana izao dia tratra aoriana hatrany ihany koa ny firenena amin’ny ny tontolon’ny fifandraisana sy ny teknolojia vaovao hany ka manarakefa fotsiny ary vitsy ny manam-pahaizana tena mahafehy izany eto. Ankoatr’izay dia dradradradraina foana ny fiampitana mankany amin’ny angovo azo avaozina saingy lasa teoria be fotsiny ary maro ny Malagasy no mbola tsy mahafantatra ny manodidina izany. Eo amin’ ny sehatra fizahan-tany izay mifandray amin’ny natiora dia olana be ny fotodrafitr’asa sy ny fitaterana ana habakabaka sy ny an-dranomasina izay mampihemotra mandrakariva ny mpizahantany kanefa tokony hampiditra volabe. Izany rehetra izany no Ilaina ny fametrahana ny politikam_panjakana mba hitondra fanavaozana ny fanarenana ireo sehatra maro mikoroso fahana eto Madagasikara ireo. Hatreto dia mampanahy hatrany ny ho avy ara-toekarena satria na ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny tontolo politika aza tsy hita taratra. Mbola mandeha hatrany ny akamakama ny amin’ny fitantanana sy ny eny anivon’ny fitsarana hatramin’ny rafitra ankapobeny mihitsy. Izany ihany anefa no efa fototry ny tsy fampandrosoana ary mamotika hatrany ny seha-pihariana sy ny ara-tsosialy. Amin’izao lazaina ho misy fahatoniana politika izao dia miandry ny fahatsaram-pitantanana,ny tany tan-dalàna, ny mangarahara sy ny ady mahomby amin’ny kolikoly hataon’ny fitondram-panjakana ny vahoaka Malagasy fa tsy tokony ho variana fotsiny amin’ny fisehosehoana ivelany.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.