Toekarena

Hetsika ROHY – Tetibolam-panjakana 2021 “Fandaniana tsy mahamaika no nomena vahana”


  • Alatsinainy 30 Novambra 2020

Mazava ny fanambaran` ny fiarahamonim-pirenena, tetsy Ambatonankanga, ny sabotsy lasa teo.

 

 

 “Laharampahamena tsy takatry ny saina amin`izao toe-javatra aorian` ny valanaretina Covid 19 andiany voalohany izao” hoy ny ny firaisamonim-pirenena Rohy, raha nanabaribary ny fanapahana noraisin` ny governemanta izay “nisafidy hampikatra tetibola ho an` ireo ministera sasany izay tsy mahamaika tao anatin`ny famolavolana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana lasitra (PLFI) taona 2021”. Namotsipotsitra ny fiakarana goavana amin` ny tetibola izay sitrahan` ny ministeran` ny tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), sy, ny Ministeran'ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny Haitao ara-kajy mirindra (MPTT) ny hetsika Rohy. “Ny MJS no nisitraka fiakarana goavana eo amin` ny tetibola anaty izay ahitana fiakarana +150,8%” hoy izy. Manana tetibola anatiny mitentina 128,9 miliara ariary, araka izany, ny MJS. “Izany dia mananika ny 90%n` ny tetibolan` ny ministeran` ny fanabeazam-pirenena ary 57%n` ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka” hoy ihany ny ROHY. Notsipihany hatrany fa mitentina 118,9 miliara ariary ny vola fandaniana natokana ho an` ny fampiroboroboana ny fanatanjahan-tena avo lenta (sport de haut niveau). Ho an` ny departemanta tantanan`ny minisitra Tinoka Roberto manokana, dia nitombo avo roa heny ny tetibola ho an`ny taona 2021 raha oharina tamin` ity taona ity. 159,863 miliara ariary no voarakitra ao anatin` ny PLFI 2021 raha 71,654 miliara ariary izany tamin` ny LFI 2020. Etsy ankilany koa, nanantitrantitra ny ROHY momba ny tetibolan` ny MPTT fa dia nahitàna fiakarana manokana 998,5% ny departemanta misahana ny fandaniana ivelany izay tantanan` ny minisitra Andriamanohisoa Ramaherijaona. Raha 3,634 miliara ariary tao anatin` ny LFI 2020 dia lasa 39,847 miliara ariary izany ankehitriny ao anatin` ny PLFI 2021.

TSY VOAHEVITRA NY PLFI 2021
Manoloana ireo “fandaniana tsy mahamaika” ireo dia nanambara hatrany ny ROHY fa zara raha nahitàna fitomboana 8% ny lafiny sosialy kanefa ny fanjakana dia nilaza fa “hiompana amin` ireo sehatra ara-tsiosialy ny tetibola”, hoy izy. Raha natambatra ho iray ny minisiteran` ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika dia nisitraka tetibola 1345,371 ariary izany tamin` ny taon-dasa. Mizara roa izao ireo departemanta ireo kanefa zara raha nahitàna fiakarana 10% izy ireo satria mitentina 1478,489 miliara ariary no voarakitra ao anatin` ny PLI 2021. Ho an` ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka (MIN SAN) indray dia zara raha nitombo 13%. Raha 676,033miliara ariary tamin` ny taona 2020 dia zara fa 763,722 miliara ariary ankehitriny. Nanamafy ny ROHY fa tafiditra amin` ireo minisitera voakasika ny fihenana 10% ny tetibolany amin` ny taona 2021 ny MIN SAN kanefa “tetibola ampy no hahafahana manome tolotra tsara”. Nitondra fankasitrahana ho an` ny fampiakrana ny tetibolan` ny kaominina, ireo fitalevam-paritra eo amin` ny fahasalamana, sy fandraisana an-tanana ireo vola tokony aloan` ny ray aman-dreny any an-tsekoly, na dia amin` ny ampahany aza, ary ny fampitomboina ny karamana eo anivon` ny minisiteran` ny rano, ny fahadiovana ary ny fidiovana (MEAH) ny ROHY. Notsipihany kosa fa tsy mbola ampy ny tetibolan` ny MEAH kanefa dia tsy nahitàna fiakarana ny tetibolany, hoy hatrany ny ROHY. Ny tetibola voasokajy ho “sans destination” dia 11,4% teo aloha ka lasa 11% ankehitriny. Midika izany fa tsy voahevitra ity LFI ity ary mampanahy ny fitantanana ny volam-panjakana, hoy hatrany ny firaisamonim-pirenena.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT