Toekarena

Hetsika mifamatotra amin’ny toekarena Mila mazava ny tohiny


  • Alatsinainy 01 Aprily 2019

Iaraha-mahita fa mbola mamaka lalina ny kolikoly eto Madagasikara. Eo amin’ny tsena-barom-panjakana ohatra dia tsy mangarahara fa kitranoantrano hatrany no manjaka ary ireo akamakama ihany no mahazo ny tsena na misy aza fampafahantarana ho an’ny daholobe (appel d’offre).

 


 Fa mitàna ny sain’ny maro ankehitriny ny tohin’ny hetsika ataon’ny ministera tompon’andraikitra taorian’ireny fanamarinana nahatrarana vokatra tsy ara-dalàna teny Tanjombato ireny. Raha ny tokony ho izy mantsy dia tokony efa nakatona mihitsy iny orinasa izay saika nanapoizina ny Malagasy iny. Mbola mahaliana ny Malagasy ihany koa ny tohin’ny raharaha tany Antsirabe izay nisian’ny sakafo lany daty kanefa tsy naharenesam-baovao intsony ny tohiny. Nisy ihany koa ny fanamarinana natao vao tsy ela akory tany Toamasina saingy tsy fantatra mazava  ny votoatiny amin’izao fotoana izao. Ny resaka famarotana ny  harem-pirenena tahaka ny andramena moa dia tsy nahitana mangirana intsony fa natao nadilo sofina tamin’ireo nolazaina ho fositra vitsivitsy fotsiny ny Malagasy kanefa maro no mbola miriaria an-kasahiana eny rehetra eny. Miandry ny fahaiza-manaon’ny governemanta hatrany ny vahoaka indrindra ny fitantanana ny raharaham-pirenena miaraka amin’ireo hetsika ara-toekarena izay efa natomboka. Ambetintenin’ny filoha ankehitriny ihany koa moa ny hoe fandraisan’andraikitra haingana manoloana ireo tranga sahala amin’izany rehetra izany izay tsy tsara sady manimba toekarena. Mila fandraisan’andraikitra haingana ny Malagasy ndrao dia ho very sahady ny fitokisana napetrany.    

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT