Toekarena

Hetsika «La Grande Braderiede Madagascar » Hanampiana ny mpandraharaha, hampiakarana ny toekarena


  • Alarobia 28 Septambra 2022

Tena difotry ny fahasahiranana ny mpandraharaha Malagasy indrindra taorian’ny nandalovan’ny valan’aretina COVID 19 teto amintsika.

Potika tamin’ny ampahany ny seham-pihariana ka saika vao manomboka miarina avokoa ny ankamaroan’ny maro amin’izao. Ho an-dRamanantsoa Harilala manokana dia anisan’ny vahaolana narosony ho an’ny Fitondram-panjakana ny fampihenana ireo entana avy any ivelany miditra eto amintsika. Tokony hojerena ihany koa hoy izy izay hahafahana mampihena ny vidin-tsakafo indrindra fa ny vidim-bary eny an-tsena mba hilaminan’ny tokantrano Malagasy. Farany izay tsy kely dia tokony hojerena ihany koa ireo mpandraharaha Malagasy hoy izy. Omena vahana ny vita Malagasy hampiakarana haingana ny toe-karem-pirenena. Anisan’ny antom-pisian’ny hetsika La Grande Braderie de Madagascar izay karakarain’izy ireo manomboka rahampitso Alakamisy 29 Septambra izany. Haharitra efatra andro ny hetsika izay hotanterahina etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina. Raha araka ny fanazavany hatrany dia manodidina ny 100 eo ho eo ireo trano eva hiara-kiasa amin’ny Madavision mandritra izany izay tsy maintsy mampihatra ilay fihenam-bidy 15 % avokoa. Tanjona amin’izao hetsika izao moa ny mba hahafahana manampy ireo Renim-pianakaviana amin’ny fividianana ireo kojakoja maro samihafa ilaina ao an-tokantrano indrindra fa ny fitaovam-pianarana ho an’ireo mbola tsy nahafeno tsara izany.
Pati
Legende : Harilala Ramanantsoa, vehivavy mpandraharaha namorona voalohany ny hetsika La grande braderie de Madagascar !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT