Toekarena

Hetsika « la Grande Braderie » Hanampiana ny mpandraharaha


  • Alarobia 21 Desambra 2022

Sahirana avokoa ny ankamaroan’ireo mpandraharaha Malagasy amin’ny ankapobeny. Tsy misy ny mividy ny entana noho ny tsy fahafahan’ny isan-tokantrano manjifa izany hany ka mihitsoka tsy afa-miodina ny volan’izy ireny,

indrindra hatramin’ny niparitahan’ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika. Izany indrindra no antom-pisian’ilay hetsika La Grande Braderie de Madagascar etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina izay hanomboka anio Alarobia 21 Desambra. Haharitra 4 andro izany ka anisan’ny tanjona ihany koa ny hanampiana ireo Renim-pianakaviana amin’ny fiantsenana amin’ny fiatrehana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izay tsy hiodinana etsy sy eroa intsony fa amina toerana iray dia hita avokoa ny zavatra ilaina. Ankoatra ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro dia misy ihany koa ny kilalao ho an’ny ankizy miampy fitafiana sy kiraro. Trano eva manodidina ny 150 isa no handray anjara amin’izany izay fantatra fa tsy maintsy mampihatra ilay fihenam-bidy 15% avokoa farafaharatsiny. Hentitra moa izy ireo ny amin’ny mety ho fisian’ireo mpangalatra sy mpangarom-paosy mikasa handroba ny mpiantsena raha toraka izany ihany koa ny fiambenana ny fiara.
Pati
Legende : Rtoa Harilala Ramanantsoa, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Madavision
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT