Toekarena

Hetsika la grande braderie de Madagascar Hotanterahina ny 27 ka hatramin’ny 31 martsa ho avy izao


  • Alarobia 21 Martsa 2018

Hotanterahina ny 27 ka hatramin’ny 31 martsa ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ilay hetsika La Grande Braderie de Madagascar karakarain’ny Madavision, mialoha ny fetin’ny paska.


Hiavaka tsy ho toy ny mahazatra ny hetsika, hoy Ramanantsoa Harilala, mpikarakara tamin’ny mpanao gazety, omaly.  Ho hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny fijerena ireo vidin’entana izay nomarihiny manokana tamin’ireo mpandray anjara fa tsy maintsy apetraka avokoa mandritra ireo dimy andro ireo ho hitan’ny rehetra, arahin’ilay fifanarahana hisian’ny fihenam-bidy. Trano efa manodidina ny 350 no handray anjara ao,  ahitana ireo karazan’entana maro samihafa sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Nomarihiny manokana moa fa misy amin’ireo mpandray anjara ao anatin’ny La grande braderie no misedra olana amin’izao noho ny tsy fahafahan’ny entan’izy ireo mivoaka ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina izay vao hanaovana fivoriana miaraka amin’ny fanjakana amin’ny herinandro ho avy io.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT