Toekarena

Hetsika goavana momba ny tolotra ara-bola Hatao ny 28-29 novambra ny « SMBA »


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Hotanterahina ny 28 sy 29 novambra 2017 izao etsy anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny andiany voalohany amin’ny hetsika goavana antsoina hoe :

« Salon de la Microfinance, des Banques et des Assurances » na SMBA, karakarain’ny Editcom, rantsan’ny Madajeune, izay efa fanta-daza amin’ny fikarakarana hetsika lehibe eto amintsika. Ny tontolon’ny banky sy ny mpitsopitsony maro ao anatin’izany sy ny resaka fiantohana ara-tsosialy no hivoitra amin’ity fampiratiana goavana ity. Sahaza ho an’ny sarambabem-bahoaka ny hetsika, ka na olon-tsotra, na mpiasam-panjakana, na mpivarotra na mpandraharaha,… dia afaka ny hisitra izany ihany koa. Hampahafantarina sy hampahalalaina amin’ny antsipirihany ireo tolotra ara-bola samihafa entina hahafahana mampivoatra ny fiainana: ny fampindram-bola (micro-finances), fandefasana vola amin’ny finday (mobile banking), fanaovana petra-bola (épargne), fiantohana ara-tsosialy (prévoyance sociale) ary ireo tolotra ara-bola rehetra manaraka ny teknolojia vaovao (e-commerce, paiement en ligne…) sy ny maro hafa. Mandritra io fotoana io ihany koa no hisian’ny tolotra ara-piofanana, tolotr’asa, torohevitra isan-karazany momba ny tontolon’ny fikirakirana ny vola. 1000Ar monja ny saran’ny fitsidihana, izay hahafahana misitraka ny fanatrehana ity SMBA andiany voalohany ity. Vonona tanteraka ny mpikarakara sy ny mpandray anjara, izay mampanantena zavatra matihanina sy tolotra sahaza ny rehetra. Mpanohana ofisialin’ny hetsika SMBA, izay sambany hosantarina eto Madagasikara ny Airtel Money. Mpiara-miasa akaiky kosa ny ACEP Madagascar, BAOBAB Réseau MICROCRED, BGFIBank, CNAPS, Ariary.Net. Fotoana izany sisa andrasana, ka eny anoloan’ny Lapan’ny tanàna Analakely no ambohipihaonan’ny rehetra amin’ity SMBA andiany voalohany ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT