Hatao ny 30 aogositra hatramin’ny 2 novambra eny amin’ny Village voara ny hetsika goavana « Rodorodo Haona Fi 2019 » andiany faharoa, karakarain’ny foibe FJKM (Fiangonan’i Jesosy Kristy eto Madagasikara),
hisokatra amin’ny olon-drehetra tsy ankanavaka. Ho hita ao ny hetsika ara-pilazantsara, ara-java-kanto, ara-tsosialy, ara-barotra,… raha ny nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM Pasitera Radimisaona Jonah. Hisongadina ny lafin-javatra 3 dia ny Fitoriana amin’ny lafiny rehetra : zava-kanto, hirahira, tenin’Andriamanitra ; fifaninanana tenin’ny soratra masina, fialamboly iarahana amina mpanakanto fanta-daza,… Faharoa ny asa sosialy ahitana ny ara-pahasalamana, arak’asa, fampianarana sy tantsoroka (formation). Tsy hohadinoina ny resaka ara-barotra amin’ny alalan’ny Tsenabe, ka tranoheva manodidina ny 200 no homanin’ny mpirakarakara hampirantiana ny vokatry ny tany, ny asa tanana,… ka mbola afaka manatona eny amin’ny Foibe FJKM Ifanomezantsoa Analakely ireo te handray anjara. Hisy ny fitiliana diabeta, areti-maso, nify, VIH/Sida, fanolorana ra, acupuncture, homamiadan’ny nono, homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza. Misy sarany 5.000Ar ny fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza sy ny nono ka misoratra anarana mialoha any amin’ny fitandremana na eny amin’ny Foibe FJKM ireo hanao, raha toa ka maimaimpoana avokoa ireo fitiliana hafa. 10.000Ar kosa izany raha eny amin’ny Village Voara vao manoratra anarana. Hanolotra fiofanana isaky ny hariva ny mpikarakara. Ny andro voalohany dia momba ny “leadership Chretien”, faharoa ny “entreprenariat au féminin”, ary ny “agri-business” na fampianarana ny olona hanorina orinasa amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Hisy ny tolotr’asa eny an-toerana ka mila mitondra “CV” ireo liana satria efa misy tompona orinasa manao tolotra ao, ary raisina raha mahafeno ny fepetra. 500 eo hatreto ny tolotr’asa efa vonona. Hisy ihany koa ny fisian’ny fifaninanana mamily fiarakodia ny sabotsy, arahina famaliana fanontaniana ara-tsoratra masina,… Tamin’ny herintaona dia 10.000 ny isan’ny mpitsidika, fa amin’ity kosa dia 30 000 eo no andrandraina ho tonga, ka manentana ny rehetra ho avy izahay, hoy Rtoa Disaine Lala, komitin’ny Haona Fi.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.