Toekarena

Hetsika FIA andiany fahatelo Sahirana amin’ny lalam-barotra ny orinasa Malagasy


  • Zoma 13 Septambra 2019

Nisokatra omaly tetsy amin’ny Zone forello Tanjombato ary haharitra efatra andro ny Foara iraisam-pirenen’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono FIA andiany fahatelo.

 

 

Tombony ho an’ny tantsaha sy ny mpandraharaha malagasy ny hetsika raha hahitana lalam-barotra ivelany sy anatiny. Nomena toerana manokana mantsy ny fampiroboroboana ny fandraharahana ara-pamokarana amin’ity andiany fahatelo ity. Tontolom-pamokarana moderna ary ny sehatra fambolena, sy fiompiana ary jono dia ezahana ho lasa seha-pihariana ahafahana mametraka ny famokarana ho tombony amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Anisan’ny orinasa Malagasy vao haingana ny Rambalah izay niorina tamin’ny taona 2018 ary mampiranty ny vokatra vita malagasy.  Ny antony nandraisana anjara tamin’ity FIA ity dia ny hampahafantarana ny olona mpitsidika ny vokatra Rambalah izay miainga amin’ny socola sy coco. 14% ny tahan’ny alikaola ao anatiny ary misy karazany 2 ny tsiro dia ny socola sy kafe sy ny socola fotsiny. Hatreto ny lalam-barotra dia mbola amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera (vente en ligne) kanefa tena efa afaka milahatra amin’ny zava-pisotro zava-pisotro vita avy any ivelany ary natao ho zakan'ny Malagasy sy sarany. Nanambara ny mpitantana ny orinasa fa olana ny fampitaovana satria na ny tavoahangy ampiasaina aza mbola afarana any ivelany. Tanjona araka izany ny hitady fiaraha-miasa ahafahan'ny orinasa Rambalah mivarotra eny amin’ireny tranombarotra lehibe ireny ary fanamby ny ahafahana hanondrana ny vokatra.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT