Toekarena

Hetsika ara-barotra Sinoa-Afrikanina Nahasarika sy nisongadina ny vokatra Malagasy


  • Alakamisy 06 Jolay 2023

Nandray anjara tamin’ny CAETE na Fampiratiana ara-ekonomika sy ara-barotra sinoa-afrikana tany Changsha Chine ny 29 jona hatramin’ny 02 jolay teo I Madagasikara.

Anisan’ny hetsika ara-toekarena sy ara-barotra lehibe indrindra ao anatin’ny taona eo amin’i Chine sy Afrika ny CAETE, izay mitondra ny lohateny hoe “Fampandrosoana iombonana ho an’ny hoavy iombonana”, mampivondrona ireo solontenan’ny firenena afrikanina 53 sy ireo fikambanana iraisam-pirenena. Araka ny tatitry ny Masoivoho sinoa eto amintsika, Madagasikara dia anisan’ireo firenena vahiny manan-kaja nasaina tamin’ny CAETE tamin’ity taona ity. Tao anatin’ny trano heva mirefy 300 metatra tora-droa, orinasa malagasy am-polony no nitondra vokatra sangany avy aty amin’ny Nosy toy ny lavanila, jirofo, toaka, sôkôla, kakao, menaka avy amin’ny zava-maniry ary vokatra lamba izay nahasarika ny sain’ireo mpividy matihanina maherin’ny 9.000 sy mpitsidika 100.000, hoy hatrany ny tatitra. Herijika lehibe ho an’ny mpandraharaha Malagasy noho izany ny fandraisana anjara tamin’io hetsika ara-toekarena sy ara-barotra io, izay heverina fa mitondra any amin’ny fisokafan’ny làlam-barotra maro. Raha ny fanasokajian’ny Banky Foiben’I Madagasikara tamin’ny 2022, fahatelo amin’ireo firenena hanondranantsika vokatra Malagasy I Chine, ka nampiditra 2 052 miliara Ari zany. Voalohany kosa I Chine amin’ny fampidirana entana maketo Madagasikara, izay nahatratra 4 864 miliara Ar raha ny tamin’ny taon-dasa. Raha raisina amin’izany, na miakatra aza ny fifanakalozana ara-barotra, dia mbola miiba ny fifandanjana ara-barotr’I Madagasikara amin’I Chine hatreto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT