Toekarena

Hery Vaovao ho an’i Madagasikara Nitondra krizy vaovao ho an’ny Toekarena


  • Alakamisy 25 Janoary 2018

Efa-taona sahady no nanaovan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny fianianany amin’ny maha mpitondra azy (25 janoary 2014- 25 janoary 2018). Raha atao ny jery todika ny amin’ny zava-bita teto amin’ny firenena, indrindra ny lafiny ara-toekarena dia hita soritra tamin’ny lafiny maro ny tsy fahombiazan’ny fitondrana tarihiny.

Raha ny mahakasika ny fiainam-bahoaka manokana ohatra dia tsy voafehy mihitsy ny fiakaran’ny vidim-piainana. Nandritra izay efa taona izay. Nipàka hatrany anaty ati-vilanin’ny Malagasy mihitsy izany satria na ny vary izay foto-tsakafo ary dia tsy nitsaha-nisondrotra ny vidiny. Ny fiakaran’ny vidin-jiro sy rano moa tsy lazaina intsony fa dia iaretana fotsiny sisa. Ny vidin-tsolika rehefa mba midina dia latsaka Ariary 10 na 20 eo ho eo ary rehefa miakatra nefa dia manatombo 50 Ar farafahakeliny. Ankoatr’izay, anisan’ny nanamarika izay efa taona izay ihany koa ny tsy fahamarinan-toeran’ny vola Malagasy, ny fitotonganan’ny ariary manoloana ireo vola vahiny fampiasa eto, ny Euro ohatra dia efa ho tafakatra 4000 Ariary. Teo  ihany koa ny fahasahiranana ara-bola nohon’ny fisalasalan’ny mpamatsy vola sy ny mpampiasa vola amin’ity resaka fakàna an-keriny misesisesy izay mitranga eto Madagasika. Manarak`izany tsy resy lahatra ny Tahairim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny amin`ilay lalàna nataon`ny governemanta amin` ny Z.E.S (Zones Economiques Spéciales ) izay efa nokianin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ihany koa, sy ny fampandrosoana Indostrialy ( LDI). Nisy ihany koa ny fahasimbana nateraky my loza voa-janahary teo amin`ny seha- pamokarana teto amin`ny firenena saingy tsy misy ny politika mazava ny amin`ny fanarenana mipaka amin`ny toekarena. Amin`ny lafiny famoronana asa tsy misy ny politika mazava ka dia mitombo isan`andro ireo tanora Malagasy tsy manana asa.

Taona

Tahan`ny fisondrotan`ny vidim-piainana (taux d`inflation)

Sandam-bola vahiny

Filaharana eran-tany

2014

7%

1euro = 3017Ar

Ao anatin`ny

10 farany

eran-tany

2018

8,3%

1euro =3970 Ar

Ao anatin`ny

5 farany

eran-tany

 

Tarehimarika: Banky Foiben`i Madagasikara

 

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT