Toekarena

Herinaratra sy ny tontolony Mampanahy mafy ny ho avy


  • Zoma 13 Mey 2022

Efa mankaleo ny maheno menomenona sy fitarainana saika efa ho isan’andro mikasika ity fahatapahan’ny herinaratra eto Madagasikara ity. “Adin’ny izay”,

efa ho adin’ny 3”, “sao dia mba tsy rariny intsony ry JIRAMA” sy ny tahaka izany rehetra no matetika hita eny amin’ny rindrin’ny tambazotran-tseraseran’ny mpanara-baovao maro eny. Ny herinaratra moa no tena voateny matetika, indrindra, ety an-drenivohita satria saika miankina amin’izany ny ankamaroan’ny asa aman-draharaha misy ety. Ny resaka rano no somary mba nangingina fa na izany aza dia efa naman’ny fahazarana ho anay koa ny fahatapahan’io, hoy ny mponina amin’ireo fokontany sasany toy ny eny Ambatomaro sy Amboditsiry eny. Namely mafy tamina faritra maro indray omaly ny delestazy. Mampanahy mafy ny herinaratra sy ny tontolony eto Madagasikara mba tsy hilazana hoe ny angovo sy ny tontolony. Efa tamin’ny fiandohan’ny fitondrana Rajaonarimampianina no nanomboka vaky ambatolampy izany olan’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy izany. Tamin’izany no efa nanomboka ny adihevitra fa diso tranainy ireo fitaovana ary tsy maharaka intsony ny lafiny famatsiana angovo. Nandeha koa ny fifanaraham-piaraha-miasa samy hafa izay mbola nampiady hevitra toy izay niarahana tamin’ny “Symbion Power” sy “Madagascar oil” saingy voalaza ho mamofompofona varotra tanindrazana moa ilay izy tamin’izany. Mipetraka ankehitriny ny fanontaniana tsy mety hahazoana valiny mahafa-po. Mety mbola ho avotra ve io JIRAMA io ?
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT