HERINANDRON’NY INDOSTRIA-SADC

Maka traikefa any Zimbabwe ireo ekipa Malagasy


  • Talata 30 Jolay 2024

Mandavaka tsikelikely ny Tsena iombonana ho an’i Afrika Atsinanana sy Atsimo anatin’ny SADC

ireo vokatra voahodina avy amin’ireo orinasa ODOF (One District One Factory) eto Madagasikara. Eo amin’ny trano heva Madagascar Mic Odof any Harare Zimbabwe no ahitana ireo vokatra malagasy ireo anatin’ny hetsika fanao isan-taona mandritra ny Herinandron’ny Indostria SADC andiany faha-7, nanomboka afak’omaly 28 Jolay ka hatramin’ny 02 Aogositra ho avy izao. Hahafahan’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) mifanakalo fijery sy fanao mahomby ary vahaolana vaovao amin’ireo mpandray anjara hafa koa ny fahatongavany any Zimbabwe. Ho resahana any an-toerana koa ny faharesen-dahatr’i Madagasikara momba ny fampiroboroboana ny indostria. Misolo tena antsika Malagasy amin’izao hetsika izao ny Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny indostria Rakotoarivonona Njivatiana, ny Talen’ny Foto-drafitrasa sy ny Fanavaozana Raharilala Faraniaina, ny avy amin’ireo mpahazo tombontsoa amin’ny ODOF, Ratovondrahona Andriatina. Miara-dalana amin’izy ireo koa ny Solontena maharitry ny ONUDI eto Madagasikara, Rakotondrazafy Volatiana. Manohana ny Malagasy ka nahafahana nandray anjara amin’izao hetsika izao ny SADC, ny ONUDI ary ny Ministeran’ny Indostria any Zimbabwe.
Pati
Legende : Nandritra ny fanokafana ny hetsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT