Toekarena

Herilanto Raveloharison “Ilaintsika ny famatsiambola avy any ivelany”


  • Sabotsy 12 Aogositra 2017

Tsy ampy hampandrosoana ny fivoaran’ny ekonomia Malagasy hatreto ny fidiram-bola anatiny, hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny Teti-pivoarana Herilanto Raveloharison.

  Vahaolana tsy maintsy hirosontsika noho izany ny fikarohana famatsiambola avy any ivelany. Mety ho trosa na fanomezana na koa fanampiana amin’ny endrika samihafa moa io fitadiavam-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka io, araka ny fanazavany. Lohalaharana amin’izany ireo mpamatsy vola mahazatra toy ny fisitrahantsika ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) avy amin’ny Tahirimbola iraisampirenena. Fifanarahana izy io handrindrana ny vola miditra sy mivoaka ao amin’ny firenena hitazonana ny fahamarinan-toerana na ilay antsoina hoe «balance de paiement». 127 tapitrisa dolara amin’ny 304 tapitrisa dolara no efa nivoaka hatramin’izao ka natokana hanarenana ny fahavoazana tamin’ny fandalovan’ny rivodoza « Enawo» ny 30 tapitrisa dolara. Antoka takian’ny FMI moa ny fifehezan’ny mpitondra fanjakana mitantana ny volam-bahoaka izany hoe, ny fahaizana mampitombo ny vola miditra miaraka amin’ny fampiasana mahomby ny eo am-pelatanana, hoy ity mpikambana ao amin’ny governemanta ity. Ohatra mivaingana ny fampihenana ny fandaniam-bola hatobaka any amin’ny orinasam-panjakana.

Nangonin-dRamano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT