Misy tsy mety ny tolo-dalàna lany teny amin’ny antenimieram-pirenena momba ny PAC (Pôle Anti-Corruption).
Misy ny fanovana mba hetahetanay, misy ny natolotry ny depiote, kanefa tsy mety ny fijerinay azy, Ny Mpandrindra Nasionalin’ny PAC Rtoa Ratiaraisoa Harimahefa.. Eo amin’izay “stade” izay isika amin’izao fotoana izao. Nesorina, ohatra, ny andininy faha-19 sy faha-20, izay mametraka ireo karazana heloka ara-toekarena izay misy efa any amin’ny 20 isa satria nangatahin’ny depiote mba hoesorina daholo, kanefa ireo no tena fototry ny raharaha izay sahanin’ny PAC. Ny ankamaron’ireo karazana heloka ara-toekarena ireo dia misy foana ny karazana kolikoly, ka izay ny fahitanay azy hoe tsy tokony hisaraka amin’ny andraikitra raisin’ny PAC ireo karazana heloka ara-toekarena, hoy io Tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny PAC io. Mikasika ny fitazonana ny fananan’ireo olona mbola tsy voaheloka, izay tsy dia sitraky ny depiote, dia “confiscation” ilay izy fa tsy “saisi”, ary izay voalazan’ny lalàna, hoy ny fanazavana. Alohan’ny didim-pitsarana raikitra io, ary tsy sanatria mbola tsy fantatra na meloka na tsia ilay olona dia avy dia handroba fotsiny ny fananana izay nohariany, fa misy ny ahiahy, misy ny raharaha izay efa miditra eny amin’ny Fitsarana indrindra fa ny PAC, misy fananana ahiana ho azy tamin’ny kolikoly, ka izay no hitazonana ilay entana fotsiny aloha, mialohan’ny didim-pitsarana raikitra. Misy ny ahiahy, ary tsy hita fa lasa ilay olona, ohatra hoe tafatsoaka any ivelany, dia fihazonana vonjimaika ilay fananana ahiana ho azo tamin’ny kolikoly aloha no atao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.