Toekarena

Hazovato Forello Expo Hikarakara « salon » telo hanampiana ireo mpandraharaha


  • Alakamisy 08 Jona 2023

Tena sahirana ireo mpandraharaha Malagasy, indrindra taorian’ny nisian’ny valan’aretina COVID 19 teto amintsika. Tsy vitsy ireo nanakatona ny orinasany ankoatra ireo zara raha velona sisa saingy mitsipozipozy.

Izany indrindra no antom-pisian’ireo karazana salon miisa telo karakarain’ny Hazovato Forello Expo eny Tanjombato. Hanomboka amin’ny foara iraisam-pirenena momba ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono izany izay hotanterahina ny datin’ny 21 ka hatramin’ny 24 Septambra ho avy izao. Toraka izany koa ny salon momba ny trano fonenana hatao ny 19, 20, 21 ary 23 oktobra ho avy izao sy ny salon iraisam-pirenena momba ny fitanterana sy ny manodidina azy hotontosaina ny 16,17 ary 18 novambra ho avy izao. Raha araka ny fanazavan-dRamanantsoa Harilala, anisan’ireo mpikarakara dia natokana ho an’ireo efa matihanina ary hahafahana mampahafantatra indray ny tontolo manodidina ireo sehatra telo ireo ny hetsika. Toraka izany ny mba hahafahan’ireo mpandraharaha mamerina mampahafantatra ny fisiany sy ny vokatra vokariny indray hahafahan’ireo mpanjifa mijery izay orinasa azony hiarahany miasa sy hametrahany ny fitokisany. Niezaka ny mpikarakara raha araka ny fanazavany hatrany ary manana tanjona hanome sehatra ny mpandraharaha matihanina rehetra hatramin’ireo madinika sy vao misandratra. Hanome vahana amin’ny fifandraisana ara-barotra amin’ireo Nosy Indiana izy ireo mandritra izany mba hahafahana mampahafantatra an’i Madagasikara sy mifampizara traikefa ihany koa. Miisa 400 ireo trano eva azo raisina amin’izany raha herinaratra azo avo amin’ny herin’ny masoandro avokoa no hohampiasaina. Ny hazovato Forello ihany koa mantsy dia mametraka ho laharam-pahamehana ny fiarovana ny tontolo iainana eto amintsika.
Pati
Legende : Ireo mpikarakara nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT