Harizaka Rakoto

«Tena vitsy ny sehatra


  • Zoma 12 Desambra 2025

ahafahan’ny malagasy mampiasa vola»

Mbola gasy 100% hatrany hatreto ireo mpisehatra na «actionnaire» eto anivon’ny NIM na Nouvelle institution de microfinance, hoy ny tale jeneralin’ity banky malagasy ity, Harizaka Rakoto, na teo aza ny fisokafana tamin’ny rehetra noho ilay fiantsoana mpampiasa vola fanampiny teo. Niampy 152 ankehitriny ireo tompona renivola niasa tato, hoy izy. Lasa 156 izany izao ireo «actionnaire». Mafimafy ny namakivaky izay 3 taona voalohany izay. Nandray ilay orinasa mpampiasa vola madinika sahirana ny orinasa. Natao ny nananganana izany tamin’ny fomba vaovao. Tsy maintsy nanitatra manerana ny nosy satria amin’ny faritra miisa 17 eto amin’ny nosy izany izao no misy ireo masoivoho 22. Anatin’ny fanokafana renivola sosialy faharoa sady farany izao ny NIM. Hanentanana sahady ireo vonona hifanohana izany hihazakazaka amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampiroboroboana sy fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fampiasàm-bola tsy manavaka «inclusion financière». Ny zava-nisy tao anatin’ny 3 taona dia ny fitomboan’ny fifampitokisana tao anatin’ny orinasa teo amin’ireo mpampiasa vola satria raha miisa 4 izany tany am-boalohany dia lasa 156 izy izao. Afaka manampy ireo mpitantana raikitra anatin’ny orinasa izany fitomboan’ny mpampiasa vola izany satria na ny torohevitra na ny fanaraha-maso dia mivelatra kokoa amin’izay. Heverina fa tsy hahatara mihitsy izany satria misy manampy sy manaitaitra eny an-tsefatsefany eny. Tena vitsy ny sehatra ahafahan’ny malagasy mampiasa vola eto Madagasikara! Isan’ny fifampizaràna sy fanentanana natao sahady ny hoe afaka mampiasa vola ianao na tsy manana betsaka aza satria fananana 2 hetsy Ariary dia afaka nidirana ho isan’ny «actionnaire» tato. Sehatra iray ahafahan’ny olona mihary sy mandraharaha koa ilay izy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT