Toekarena

Harivola Raharinosy “Aza simbaina izay asa efa misy eto”


  • Alakamisy 15 Desambra 2022

Tiana handeha ve ilay vondrona na “groupe” Rio Tinto sa inona, hoy ny fanontanian’ny mpandraharaha misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany, Harivola Raharinosy?

Fa maninona no tsy maintsy ilana antsonjay ohatran'io ilay orinasa, hoy ny fanontaniany? Ilay fanjakana moa izany izao manao inona fa inona no tsy andaminana an'io olana io in-dray mandeha tsy miverina na “une bonne fois pour toute”, hoy ny frantsay? Tetikasa efa nisy io hatramin'ny tao 1980. Ny fidiran'i Rio Tinto mba hahabetsaka ilay famokarana. Misy olona 2000 isa ho very asa raha mandeha io “groupe” io. Mba tongava saina re! Ny kely ananana eto amintsika eto indray no tsy hay ny mitandro azy. Aiza ilay tenin'andriamatoa Ravelonarivo, tale jeneralin'ny harena an-kibon’ny tany hoe anjaran'ny fanjakana ny miantoka ny fandriampahalemana ho an’ny fampiasam-bola na “investissement” misy eto amintsika? Averiko eto ilay tenin'ilay ambasadaoro japoney hoe manimba tontolom-pandraharahana na «climat d'affaires» ny zava-misy eto Madagasikara. Misy olona vahiny izay nanana «investissement» taty namidiny. Mandona ambom-po be ny zavatra ohatra an’izany. Ianareo fanjakana tsy mahavita mamorona asa ho anay vahoaka. Aza simbaina izay efa misy eto. Jirama anareo efa tsy misy ilana azy. Ny olona mamatsy jiro ho anareo indray ity no ilana vaniny. Dia hisy hiteny hoe "angaha izahay manao an'io? "Complices” na mpiray tsikombakomba ianareo matoa tsy mandamina. Avelao any ny valifaty politika sy olana manokana anareo amin’io orinasa io ho an’izay manana an’izay fa tsy hanome asa olona akory, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT