Toekarena

Harinkarena eny ifotony Tena ilàna fampiofanana


  • Talata 10 Septambra 2019

Atrikasa fanofanana ho an’ireo mpanofana no nokarakarain’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny sakafo sy ny fambolena( FAO) tetsy amin’ny Hotely Colbert Anataninarenina omaly.

 

 

Anisan’ny nahazo tombony tamin’izany ireo fikambanan’ny vehivavy any ambanivohitra misehatra momba ny fambolena sy ny fiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tanjona amin’izao fampiofanana izao mantsy ny hampiroboroboana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy any amin’ny tontolo ambanivohitra. Tena ilaina ny fiofanana ary mangetaheta izany na ireo mpisehatra maro voakasika momba ny ala sy ny tontolo iainana avy any ivelany sy ny eto an-toerana na ireo orinasa madinika sy salantsalany manao fandraharahana amin’ny fambolena.  Ny hahatonga ny vehivavy sy ny tantsaha any ambanivohitra hahaleotena ary afaka hanana traikefa amin’ny fandraharahana mba hampitombo ny faripiainana sy ny  harinkarena eny ifotony no tanjon’ity atrikasa sahanin’ny FAO ity. Nivoitra  ihany koa fa tsy ireo mpanangom-bokatra foana no tokony hanana ny tombony any ambanivohitra fa ireo tantsaha miasa sy mihosona amin’ny famokarana ataony no tena tokony hanankarena. Voaresaka tao ihany koa ny mahakasika ny ady tsy maintsy atao amin’ny  fiovaovan’ny toetr’andro noho ny famotehana ny tontolo iainana tahaka ny doro tanety mbola misy eto Madagasikara. Efa miantraika amin’ny fiainana andavanandro sy ny  sakafo hohanina ary ny fahasalamana sy ny asam-pambolena mihitsy izany ka mila asiana ny fampiofanana matetika sahala amin’itony, hoy ny teo anivon’ny FAO.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT