Toekarena

Harin-karena talohan’ny 2009 Amin’ny 2024 vao ho tratran-dRajoelina…


  • Zoma 22 Novambra 2019

Raha fampandrosoana ara-toekarena, dia efa tratrantsika tany alohan’ny fanonganam-panjakana 2009 ny fitomboan’ny harin-karena

 

 

 

 

 

7,3 raha toa ka 7,0% no tanjona apetraky ny fanjakana Rajoelina hatramin’ny 2023 araka ny voafaritry ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2020. Aorian’ny 2023 izany vao hiarina ny famotehana tamin’ny 2009 raha ho tratra. I Rwanda izay nireharehan-dRajoelina ny fahatongavan’ny filohany Paul Kagame teto, dia faharoa taorian’i Madagasikara. Tsy fandokafana, fa nosokajian’ny ONUDI (Organisation des Nations Unies pour le Développement Industriel) ho firenena filamatra taty Afrika tamin’ny fampandrosoana sy ny toekarena i Madagasikara fony naha filoha an-dRavalomanana.  Ankehitriny, sahirana ny fanjakana amin’ny zava-drehetra. Tena miverina ny krizin-tsolika. Zara raha ahitana any Mahajanga, 10 000 ny litatra any Tsihombe, Ambovombe, 7000Ar mahery ny any Ambanja,… Ny olan’ny jiro sy rano mbola olana ara-tsosialy sarotsarotra vahana, ny mpampianatra mpikaroka mitokona,... Mikatso ny firenena amin’ny ankapobeny, saingy takotakon’ny raharaham-pifidianana sy ilay fahombiazan’ny Barea teo. Raha ny ambara fa fampandrosoana mandeha, dia sekoly 2 na 3 no hireharehana sy hitondrana fampitaovana serasera mipoapoaka. Misy kaominina 1695 anefa eto Madagasikara, izay nahazo “kits scolaires” ny mpianatra rehetra talohan’ny fanonganam-panjakana 2009. Very 15 taona isika izao noho ny famotehana, ka anjarantsika no misaintsaina.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT