Toekarena

Harilala Ramanantsoa “Apetraho ny rafitra hanamorana ny fandraharahana eto ”


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

5 taona teo izay no nanomboka niresahana sy nanomezana sehatra ny fandraharahan’ny vehivavy teto Madagasikara, hoy ny mpandraharaha, Harilala Ramanantsoa.

Ankapobeny izy talohan’izay, hoy izy. Rehefa nandeha ny fanatontoloana sy ny fanadihadiana hoe mihoatra ny lehilahy na sahala amin’ny lehilahy ny mpandraharaha vehivavy eto amintsika ary tsy afa-miala amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto amin’ny firenena ka nanomezana sehatra bebe kokoa ny mpandraharaha vehivavy hananany izay andraikitra izay dia mbola tokony atao sy tsara atao angamba ny miresaka foana momba ny fandraharahan’ny vehivavy, mandrisika ny vehivavy hanana fahasahiana. Ny hitantsika an-davan’andro, any ambanivohitra, dia vehivavy maro mivarotra, mibaby zaza eny amoron-dalana eny. Miaritra hatsiaka, tena hoe mikafiry mba hampidi-bola ao an-tokantranony. Efa fandraharahana ireny. Hita taratra fa ny vehivavy dia manana faharetana, finiavana tsy latsa-danja amin’ny lehilahy mba hitondrana fanatsarana eo amin’ny fiainan’ny fianakaviany. Tsy azo atao ambanin-javatra ireny. Heveriko fa mifandanja, raha eto Madagasikara, ny lehilahy sy vehivavy mandraharaha. Tsy hita any amin’ny sehatra ara-dalana na “formel” fotsiny izy ireny fa miandahy miambavy ankehitriny ny fitadiavana sy fandraharahana eto Madagasikara raha ny hevitro manoloana izao fahasarotan’ ny fiainana izao. Ny hany mety hahatrarana tanjona hananan’ny vehivavy fahalalahana mandraharaha kokoa dia ny fametrahana rafitra ahafahan’izy ireny mahazo traikefa, torohevitra mba ho tena matihanina ny sehatra handraharahany. Ny ankamaroan’ny mpandraharaha eto Madagasikara dia manandrakandrana aloha dia rehefa hitany fa mety dia miditra ao amin’ilay sehatra amin’izay izy. Rehefa tena miditra ao anefa izy dia tsy ampy ny fahalalany ka tsy afa-mifanehitra amin’ny mpifaninana aminy izy, hany ka tsy todiny hatramin’ny farany ilay izy fa 2 taona dia manova zavatra hafa indray. Mandia 5 taona anefa ianao vao tena mari-pototra ny fandraharahanao. Tsy mbola tena manana izay rafitra manohana orinasa madinika vao misandratra izay anefa isika. Mirona bebe kokoa amin’ny fandraharahana ny tanora ankehitriny, indrindra, ny vehivavy satria mahatsapa fa tsy ampy intsony ny karama isam-bolana. Mila famoronan-karena isika. Mila mitady fomba hamoronana asa. Vary sy rano ny fandraharahana sy famoronana asa ka mampirisika hatrany ny fitondrana hoe hampetrao ny rafitra hanamorana ny fandraharahana eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT