Toekarena

Harena ankibon’ny tany sy solika Hisy fampirantiana lehibe ny 13 , 14 ary 15 aprily


  • Alarobia 28 Febroary 2018

Hotontosaina etsy amin’ny Mining business center Ivato ny 13 ka hatramin’ny 15 aprily izao ny tranoben’ny harena ankibon’ny tany sy ny solika ary ny fampitaovana ilaina aminy izay hiarahan’ny orinasa Media consulting miasa amin’ny fitondram-panjakana.

 

Tonga tetsy amin’ny Ibis Ankorondrano niara-nanazava ny tontolon’izay harem-pirenena voalaza teo izay moa ny avy eo anivon’ny biraon’ny kadasitra momba ny harena ankibon’ny tany eto amintsika na ny BCMM sy ny ofisy misahana izany (OMNIS). Feno risika hatrany ny fampiasam-bola amin’io lafiny io, raha ny fanazavana, satria raha hiresaka ny fitrandrahana an-tanety fotsiny no efa mandany eo amin’ny 10 ka hatramin’ny 50 tapitrisa dolara ary 150 ka hatramin’ny 250 tapitrisa dolara eo ho eo izany ho an’ny an-dranomasina. Sehatra mangingina ireo 2 hiompanan’ny hetsika ireo ka mila tairina kely satria manana dobon-tsolika (bassin sedimentaire) miisa 5 isika ankehitriny, izay raha atambatra dia mahatratra any amin’ny 10.000 km2 any kanefa dia tokony mbola hisy 800.000km2 no ahafahantsika mitrandraka solika eto Madagasikara. Hisy, araka izany, ny tranoheva fampirantiana sy fanazavana ary fivarotana ireo vokatra miampy fanentanana maro isan-karazany sy valandresaka hikaroham-bahaolana amin’ireo fotoana ireo, raha ny fanazavana hatrany. Nanamarika moa ny avy eo anivon’ny BCMM fa tsy mbola namoaka karatra maha mpitrandraka vaovao taorian’ny taona 2009. Ny 10%-n’ireo mpitrandraka 3000 isa tantaniny kosa no efa nahazo fahazoan-dalana. Ny tanjona dia ny mba hampidiran’ity sehatra ity 18% na mihoatra amin’ny harinkarena faobe.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT