Toekarena

Harena ankibon’ny tany “Be loatra ny tataon-ketra”, hoy i Ahmad Mohamad


  • Alatsinainy 02 Desambra 2019

Tao anatin’ny ora valo no nandinihan’ireo solombavambahoaka ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin’ny taona 2020 (LFI 2020) ny sabotsy lasa teo.

 

 

 

 

 Ny resaka haba sy tataon-ketra alaina amin’ireo tantsaha mandinika izay midangana no tena nisongadina tamin’izany. Hita tao ny hetra atao amin’ny harena ankibon’ny tany na eo amin’ny tsena anatiny na manondrana any ivelany. Nisy ny tsenan-kevitra nokarakarain’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany ary efa nafana ny adihevitra noho ny tsy fisian’ny

lalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany vaovao, hoy i Ahmad Mohamad, solombavambahoakan’i Madagasikara. Efa an-dalana eo amin’ny famolavolana io lalàna vaovao io ny fitondrana nefa anatin’ny LFI 2020 dia mbola misy ny tataon-ketra. Amin’ny maha filoham-baomiera misahana ny harena ankibon’ny tany azy dia nandroso soso-kevitra izy amin’ny fiandrasana io lalàna vaovao io vao mampîhatra tataon-ketra satria ny fitsipi-dalàna tsy mbola miova ka mba hahafahana miditra amin’ny sehatra mazava sy ara-dalàna dia

tokony hasiana fampianarana sady fanentanana. Telo hatramin’ny enim-bolana dia vita izany raha maka ny tandrify azy ny minisitera tsirairay avy. Tokony ho nalefa mora ihany koa ny

tataon-ketra fa tsy 20% dia amin’izay ny olona afaka mandoa hetra satria gaboraraka ny sehatry ny harena ankibon’ny tany, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT