Harena ankibon’ny tanin’i Madagasikara
Ny vahiny no tena migoka ny tombony
500 000 eo ho eo ny Malagasy misehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Madagasikara. Ny ankamaroan’izy ireo dia saika tsy ara-dalàna avokoa ary tsy mandoa hetra. Anisan’ny sehatra tena anjakan’ny kolikoly ny harena ankibon’ny tany ary nanambara ny teo anivon’ny Tranparency International fa 230 tapitrisa dolara na 815 221 120 000 Ariary (1dolara=3544, 44Ar) no vola verin’ny fanjakana Malagasy tamin’ny volamena sy ny vato sarobidy. 2 taonina monja ny volamena nambara fa misy tamin’ny taona 2013 kanefa maro be ny mivoaka an-tsokosoko. Betsaka ny vahiny mampiasa vola amin’ny sehatra harena ankibonin’ny tany eto Madagasikara raha tsy hilaza fotsiny ny ao Ilakaka. Matetika dia hanao fizahantany no lazaina fa anton-dia kanefa hanao aferana volamena sy vato sarobidy. Ny fanjakana koa moa goragora ka zara raha manara-maso ny ataon’ireny vahiny mitoetra sy mivezivezy eto amin’ny firenena ireny. Nilaza ihany koa ry zareo ao amin’ny Transparency International fa nahatratra 3 tapitrisa Euro na 12 102 690 000 Ariary (1Euro=4034, 23Ar) ny vidin’ny volamena sy vato sarobidy nivoaka an-tsokosoko tamin’ny taona 2017. Amin’izay dia ny vahiny no tena mahazo tombony: 1 500 000 Ar na 370 Euro no ividianan’izy ireo ny safira iray hitan’ny Malagasy mpandavaka izay tena niasa mafy ary mihatra aman’aina mihitsy noho ny tsy fisian’ny fiarovana amin’ny fitaovana manara-penitra kanefa lafony 4000 Euro na 16 136 920 Ariary izany any amin’ny tsena eoropeanina. mihamaro hatrany amin’izao fotoana ny Malagasy tsy matihanina mirona amin’ny fitrandrahana volamena sy vato sarobidy ka mahatonga ny fitomboan’ireo mpampiasa vola tsy ara-dalàna ireo. Tsy mahagaga raha tsy misy vokany amin’ny toekarena ny fitrandrahana atao noho ny fivelaran’ny sehatra tsy ara-dalàna. Ny hany tombony fotsiny dia ny fitomboan’ny filàna satria mihamaro ny olona. raha ny any Ilakaka izao dia lasa miroborobo ny tsena mivarotra ireo entana ilaina andavanandro (PPN). Varotra izay mamelona tokantrano maromaro miampy ny vola izay mba ampidirin’ireo raim-pianakaviana mitrandraka.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.