Toekarena

Harena an-kibon’ny tany Miteraka asa ny fitrandrahana azy saingy…


  • Alakamisy 02 Janoary 2020

Betsaka ny mpandraharaha malagasy misehatra amin’ny fitrandrahana madinika (petites mines) raha oharina amin’ny fitrandrahana vaventy (filières grandes mines).

Ity fitrandrahana madinika ity dia ahitana mpiasa 1 tapitrisa raha ny mikambana ao amin’ny EMAPE ( Exploitation Minière Artisanale à Petite Echelle) fotsiny ankoatr’ireo tsy ara-dalàna marobe. 85%n’ireo mpiasa ireo anefa dia mbola miaina latsaky ny 2 dolara isan’andro hatrany. Sehatra ahafahana mampandroso ny toekarem-pirenena io saingy mbola tena anjakazakan’ny vahiny. Tsy ahazoan’ny mpandraharaha sy mpitrandraka madinika tombony ihany koa hatreto ny tsy fampiharana mazava ny lalàna mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto amin’ny firenena. Manjavozavo ary tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ny saran’ny fandraharahana (frais d’administration) sy ny tamberim-bidy amin’ny kaominina. Matetika dia fotodrafitrasa no atolotra ny kaominina ary tsy mipaka amin’ny fiainan’ireo mpitrandraka madinika mihitsy izany fa miaina anaty fahantrana hatrany izy ireo. Tsy misy ary tsy ampy ihany koa ny fanofanana ho an’ny mpitrandraka sy ny mpandraharaha madinika amin’ny harena an-kibon’ny tany ary alefa mankany ivelany foana ireo « echantillons » ka ny vahiny hatrany no tena manankarena sy mahazo tombony. Baranahiny ihany koa ny fanarahamaso ireo vahiny mpandraharaha eo amin‘ ny fitrandrahana madinika eto Madagasikara izay saika mody mitondra visa touristique avokoa. Izany rehetra izany dia ilaina itadiavana vahaolana maharitra mba sady hiteraka asa betsaka eny ifotony ny fitrandrahana no hanatsara ny fari-piainan’ireo mpiseahatra indrindra ireo madinika.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT