Toekarena

Harena an-kibon’ny tany Ho isan’ny mpamokatra Uranium i Madagasikara ?


  • Zoma 14 Aogositra 2020

Tany amin’ny taona 1947 no efa nisy ny fanamarihana nataona tompon’andraikita iray momba ny « géologie » amin’ny fisiana akora « urano-thorianite » ao ambanin’ny tanintsika Malagasy.

 

 

 Asa fikarohana maro no efa nanaporofo ny fisiana « uranium » eto Madagasikara. Faritra 4 eto Madagasikara no voalaza fa misy tahirina uranium dia ao amin’ny Faritra Antsirabe, Faratsiho, Itasy, any Avaratra Andrefana (Folakara) sy Atsimo-Andrefana (Makay). Ny taona 2007, dia orinasa vahiny maro, toy ny Kanadianina, Israelianina, Koreanina Tatsimo, Britanika ary Aostralianina no efa teto Madagasikara nanao ny vina sy ny tombana momba izany. Nisy ny asa fitrandrahana efa natomboky ny Orinasa Aostralianina “RIR Uranium” ny taona 2007, saingy tsy tanteraka noho ny krizy niseho roa taona taorian’ny fanombohan’ny tetikasa. Isan’ny azon’i Madagasikara trandrahina ny Uranium izay tena ilain’ny tsena iraisam-pirenena indrindra amin’ny tontolon’ny angovo, ary mety hampidi-bola be ho antsika. Mila rindran-damina sy drafitra maty paika, toy ny lafiny lalàna sy ara-tontolo iainana ihany koa anefa satria misy risika be ny fahapoizinana mety hoentin’ny “radioactivé” amin’ity akora ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT