Manao antso avo amin'areo mpitondra fanjakana , indrindra ny Minisitra misahana ny Varotra , ny Minisitra misahana ny Harena akibon'ny tany ny Solombavambahoaka Nicolas Randrianasolo voafidy tany Betroka. Mitotongana izay tsy izy intsony ny vidin'ny
« Mica » na ny ela-drano aty Betroka amin'izao fotoana izao, lasa 50 Ar no anangonan'ireo mpanangom-bokatra azy amin'izao , izay tena fanambakana ireo tantsaha avy hatrany no hanasokajianay izany, ankoatra ny tsy fahafantarana na misy na tsia « ristourne » ho an'ny kominina, hoy izy. Kaominina fito any Betroka no efa misy mpitrandraka amin'izao, dia Kominina Ambalasoa , Benato Toby , Ianabinda , Ambatomivary , Mahasoa Est, Bekorobo. Olana be ho an’ny mponina ny tsy fahampian'ny fitaovana eo am-pelatanan'izy ireo ka lasa miteraka aretina izany, ary misy ny tsy maintsy tafiditra hopitaly mihintsy ary efa nisy koa ireo namoy ny aina nohon'ny aretina azo avy aminy araka ny nambaran'ireo Dokotera . Miantso ny Minisitera handefa manam-pahaiza hanao fandihadiana lalina mikasika ny fitrandrahana ary hanara-maso ihany koa ny antota-taratasy ampiasain'ireo mpitrandraka na ara-dalàna na tsia io depiote io. Mangataka ihany koa izahay ny hanampiana ireo mpitrandraka madinika, ohatra ny fanohanana azy ireo aminy alalan'ny Vatsy tsinjo na koa Tosika fameno na izay fanampiana ho menareo mpanatanteraka ho azy ireo, hoy ity olom-boafidy ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.