Toekarena

Harena an-kibon'ny tany Nampiato ny fitrandrahany i Ambatovy


  • Talata 14 Aprily 2020

Naato tanteraka ny fitrandrahana ao amin’ny orinasa mpitrandraka Nikela sy Kobalta Ambatovy.

 

 

 

 

 Araka ny fampitam-baovaon’ny tompon'andraikitra dia voakasik’izany avokoa na ny toeram-pitrandrahana ao Moramanga na ny toeram-panodinana ireo vokatra ao Toamasina. Antony, mazava ho azy, dia ho fitandroana ny fahasalaman’ireo mpiasa rehetra tsy an-kanavaka ny amin’ny mety ho loza aterak’ity areti-mandripaka Coronavirus ity. Mihiboka toy ny olon-drehetra, araka izany ny mpiasan’Ambatovy ary efa tsaboina ao amin’ny klinika ao an-toerana kosa ireo mararin’ity aretina ity miisa 3, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Tsara marihana fa manodidina ny 23 miliara Ariary isan-taona no vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana avy amin’ny orinasa Ambatovy.

J. Mirija sy Marigny A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT