Toekarena

Harem-pirenena very hatramin’ny 1960 Efa nahazoana helikoptera 100


  • Talata 07 Martsa 2017

500 hatramin’ny 750 tapitrisa dolara isan-taona ny harena an-dranomasina very eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery.

 

 Antony goavana mahatonga izany ny tsy fahampian’ny tafika an-dranomasina sy ny fitaovana ampiasaina hiarovana ny sisin-dranomasin’ny firenena Malagasy. Ilaina hampitomboina ny isan’ny miaramila miaraka amin’ny fanamafisana ny lafiny fiambenana izay tena marefo tanteraka. Harem-pirenena isan-karazany toy ny omby, ny volamena, ny andramena na koa ny harena an-dranomasina tsy hita pesipesenina no efa very hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny taona 1960, hoy ny avy eo anivon’ny inspektera jeneralin’ny zandarimariam-pirenena. Efa azo nividianana helikoptera tsy latsaky ny 100 rahateo ny fitambaramben’ny fivoahan’ireo harem-pirenena an-tsokosoko ireo. Mampalahelo moa fa na angidimby iray aza tsy ananan’ny zandary Malagasy. Toraka izany ihany koa ny havitsian’ny sambo haingam-pandeha ampiasain’ny tafika an-dranomasina, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Vitantsika ny miaro ny harem-pirenen’i Madagasikara fa ilay fahavononana, indrindra ny finiavana politikan’ny mpitondra no lesoka, araka ny fanamarihan’ity farany.

Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT