Toekarena

HAONA FI eny amin’ny Village Voara Ambohipihaonan’ny fiarahamonina


  • Zoma 02 Novambra 2018

Nosokafana tamim-pomba ôfisialy teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka omaly alakamisy 1 novambra ilay hetsika Haona fi, foara karakarain’ny Fiangonana Fjkm mandritra ny telo andro.

 

 Nataon’ny mpikarakara hihaonana manokana amin’ny fiarahamonina izy ity  raha tsiahivina sady hijoroana  vavolombelona  ihany koa. Tonga nanokatra izany  teny an-toerana tamin’ny alalan’ny vavaka ny filohan’ny fiangonana FJKM    Irako Andriamahazosoa Ammi. Narahiny kabary izany  izay nanatintranterany ny maha-zava-dehibe ny fihaonana sy ny fifanatronana eo amin’ny samy  mpiara-belona tahaka izao  hahafahana mampandroso ny firenena. Hetsika maro loha no ho hita eny an-toerana nanomboka omaly. Anisan’ireny ny  fanentanana ara-pilazan-tsara toy ny fiaraha-mivavaka isa-maraina, ny fitoriana an-kira, ny fifaninanana soratra masina…Fa ankoatra ireo dia  varotra fampirantiana maro isan-karazany no hita eny an-toerana toy ny fitafiana, ny fanaka, ny taozavatra  Malagasy, ny sakafo hahafahan’ny olona rehetra miantsena. Tsy latsa-danja amin’ireo ny lafiny ara-pahasalamana. Misy tranoheva natokana hitiliana ny aretina diabeta mantsy eny an-toerana, ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza, ny maso, ny tosidra ary ny Vih/SIDA izay marihina fa maimaimpoana avokoa. Misy ihany koa ny toerana hahafahana manome ra, hamonjena aina ho an’ ireo izay liana amin’izany. Anisan’ny manohana akaiky ity hetsika ity moa ny vondrona Vidy Varotra ahitana ny gazety Jejoo, ny Tia Tanindrazana, ny Job ary ny Top Radio. Misy ny fihaonan’izy ireo mivantana amin’ny mpanjifa eny an-toerana hahafahana mampahafantatra azy ireo  ireo karazana tolotra misy ao aminy sy ny fiaraha-miasa azo  hatao.

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT