Toekarena

Haitao sy teknolojia Tanora Malagasy nahavita fiaramanidina kely


  • Talata 18 Febroary 2020

Mahatalanjona ny voka-pikarohana nataon’i Daniel Sitrakiniaina Maharavo, izay nahavita fiaramanidina kely afaka misidina ambony dia ambony.

 

 

 Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, izay nahazoany fankaherezana sy fampirisihana tokoa. Nalatsaka tao daholo ny vatsim-pianarana telo volana, vita tanana avokoa ankoatra ny « moteurs » sy « batterie », raha ny nambarany. Raha ny faniriana dia mba hanamboatra fiaramanifina takatry ny fahefa-mividin'ny malagasy rehetra na ho lavitra ezaka aza. Tohano re ny vita malagasy, hoy ny hetahetan’io tanora io. Zava-dehibe sy mendrika tohanana ho lasa lavitra ny ezaky ny tanora Malagasy tahaka izao, izay mampiseho fa tena manan-tsaina sy atidoha ny Malagasy ary tsy mena-mitahy amin’ny vahiny. Fitaratra ho an’ny tanora ihany koa ny tahaka izao fa azo atao ny mahavita zavatra tsara rehefa ao ny finiavana sy ny fitiavana, indrindra ny fandavan-tena, fa tsy variana amin’ny revirevy sy ny rendrarendra tsy mitondra mankaiza.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT