“Orinasa tokony hisokatra ny AAA-Tiko”, hoy ny fanambarana nataon’ny minisitry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina,
Guy Rivo Randrianarisoa, omaly, nandritra ny fety fifampiarahabana amin’izao fetim-pirenena izao, niarahany tamin’ireo mpiasan’ny minisitera rehetra, tao amin’ny CFM (Cercle Franco- Malgache) Anosy. Nisy ny iraka nampanaovina ny mpiasan’ny minisitera sy ny tao amin’ny sehatry ny tontolo iainana tany Andranomanelatra Antsirabe, nijery ny zava-misy marina mikasika ity orinasa ity, hoy izy. Hita fa orinasa manana ny maha izy azy io ary manaraka ny fenitra takiana. Resaka politika no namoahan’ny minisitera didim-pitondrana nanakatonana ny orinasa hatrizay, hoy izy. Mikasika ny famerenana famokarana rano amin’ny tavoahangy Olympiko kosa dia azon’ireo tompon’andraikitra atao ny fangatahana mikasika izany. Nilaza ny minisitry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina Guy Rivo Randrianarisoa fa azo atao ny mamoaka avy hatrany didim-pitondrana manafoana ilay didim-pitondrana nanakatonana ny orinasa AAA-Tiko saingy noho ny fanajana ny rafitra repoblikanina dia tsy maintsy mbola hanao tatitra amin’ny praiminisitra sy ny filoham-pirenena ny tenany. Nomarihiny fa ny andraikitry ny minisitera izay sahaniny dia ny manome fahafahana ireo mpampiasa vola tsy ankanavaka te hiditra eo amin’ny sehatry ny indostria satria ny indostria no taolantehezan’ny fampandrosoana. Mahatratra 597 ny isan’ireo mpiasan’ny minisiteran’ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina ankehitriny.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.