Toekarena

Guy Rivo Randrianarisoa « Miala eto ireo vahiny tsy vonona hanara-dalàna »


  • Alakamisy 19 Jolay 2018

Tonga nitaraina tamin’ny minisitry ny indostria, Guy Rivo Randrianarisoa, tetsy amin’ny biraony etsy Anosy omaly ireo mpiasa eo anivon’ny orinasa afaka haba noho ny olana manjo azy ireo.

 

Tonga teny ihany koa ny sendikan’ny mpampianatra , nizara ny mavesatra sy ny manahiran azy ireo ary nampita hafatra halefa any amin’ny governemanta. Olan’ny afaka haba, hoy ny minisitra, raha ny voambara tamiko teo dia lasa mihena ny tombony azon-dry zareo ankehitriny noho ny fihemoran’ny fotoana ahafahan’ireo entana miditra sy mivoaka eny amin’ny seranatsambon’i Toamasina. 45 andro be izao fa mba efa nihena 30 andro aza ankehitriny. Lasa tsy matoky antsika koa ny mpiara-miombon’antoka amin’io fahataran’ny fotoana hanaterana ny entana io; etsy ankilan’izay dia mamely ireo orinasa afaka haba ihany koa ny Jirama amin’ny delestazy izay miteraka olana goavana amin’ny famokarana.Nisaotra ny minisitra noho ny nandraisany azy ireo moa ny avy amin’ny orinasa afaka haba satria tena sambany, hoy i Tiana Rajaona  mpitondra tenin’izy iroe no nisy minisitry ny indostria sy fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, izay misolontena ny fitondram-panjakana , nadray sy nihaino azy ireo tahaka izao. Mikasika ireo orinasa malagasy toy ny AAA- Tiko moa dia nanambara ny minisitra fa efa milamina ny lafiny teknika ka tsy tokony hisy antony tsy hampisokatra azy. Na ny lafiny tontolo iainana na fiarahamonina na loharanom-bola dia efa feno ny fepetra. Nohamafisin’ny minisitra fa tsy hilefitra amin’ireo orinasa tsy manaja fepetra kosa izy ary hofoanany ny fifanarahana amin’izy ireny raha mbola manohy ny tsy mety ataony na tsy manaiky ny fifandaminana izy ireo. Noraisiny ohatra tamin’izany ny orinasa SUCOMA izay iarahana amin’ny sinoa sy ny Sirama ao Nosy be. Ny any Ambilobe sy Namakia, hoy ny tenany, tsy aloan-dry zareo ny hofany izay mitentina 20 tapitrisa dolara. Mikolay daholo ny mpiasan’ny Sirama Ambilobe, Nosy be, Namakia. Ny ao Nosy be moa ilay nifanarahana tamin’ny Vidzar. Izaho tsy mifidy na gasy na vahiny,hoy ny minisitry ny Indostria Guy Rivo Randrianarisoa fa rehefa tsy manaraka fepetra dia hotapahako ny fifanarahana aminy.Afaka mangoron’entana ary miverina mody any aminareo ianareo vahiny rehefa tsy vonona hanaja ny fepetra eto Madagasikara, hoy izy.Zava-dehibe ny fanampiana sy fanohanana ny orinasa Malagasy mba hivoatra satria tsy misy firenena hoe mandroso izany raha tsy manana indostria matanjaka, hoy ny minisitra Guy Rivo Randrianarisoa.

J. Mirija sy Marigny A.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT