Ny sabotsy 27 janoary lasa teo no nisafidianan’ny vondron’orinasa Vidy Varotra izay misy ny Gazety Vidy Varotra, Job, Jejoo, Tia Tanindrazana sy ny onjampeo Top Radio 102.8 FM nifampiarahabana sy nifampirariana soa noho ny taom-baovao 2018.
Orinasa Malagasy ana mpandraharaha Malagasy ary mitondra ny anjara birikiny amin’ny lafiny maro amin’ny fanabeazana sy fanampiana ny olom-pirenena mba tsy ho tompon-trano mihono amin’ny zava-misy eto Madagasikara. Manaitra sy manetsika ny rehetra ihany koa mba ho tompon’andraikitra fa tsy mpanara-drenirano fotsiny manoloana ny zavatra iainana eto. Feno 15 taona ny gazety Vidy varotra izay efa nitombo sy niampy gazety hafa ary hisy ny fankalazana manetriketrika izany amin’ity taona ity .Maro ny asa efa vita sy andraikitra efa noraisina, vavolombelon’ny tantaram-pirenena ny Gazety Tia Tanindrazana orinasa iray ao anatin’ny Groupe Vidy Varotra, mbola goavana koa anefa ny adidy miandry. Mivonona amin’ny fiatrehana izany ny orinasa , ny mpitantana sy ny mpiara-miasa rehetra ary manatsara hatrany ny zavatra atolotra ny mpamaky, maromaro ny fanovana hoentina ao anatin’izany. Asa sarotra kanefa mahafinaritra ny asa fanaovan-gazety satria fifampizarana sy fifanampiana no tena manjaka ao, fitaovana iray tena ilaina amin’ny fandrosoana ihany koa amin’ny alalan’ny fahalalahana haneho hevitra ao anatin’ny fifanajana sy ny fanajana ny lalàna.
Tia Tanindrazana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.