Toekarena

«Grille indiciaire» Niesona herintaona ny mpiasam-panjakana


  • Talata 06 Jona 2017

Nofohazin’ny CTM-SSM Randrambaon’ny sendika ny fampanantenan’ny fitondrana Rajaonarimampianina momba ny «grille indiciaire» rehefa nangina tanteraka tao anatin’izay 12 volana mahery izay.

Fanamby napetraky ny fanjakana Malagasy tokoa mantsy tao anatin’izao Repoblika faha-IV izao ny fanitsiana ny mari-karaman’ny mpiasam-bahoaka eto Madagasikara. Fitakian’ny fonksionera efa tokony ho nihatra tamin’ny enim-bolana faharoan’ny taona 2016, araka ny nambaran’ny minisitry ny asam-panjakana Maharante Jean de Dieu tamin’ny taon-dasa ihany. Najoro rahateo ny CNT (Conseil National du Travail) herintaona lasa izay handrafitra ny lalàna vaovao ho fanatsarana ny tontolon’ny mpiasam-panjakana mba hifanaraka amin’ny zava-misy iainana andavanandro eto Madagasikara. Valala tsy an-tanana anefa tsy atolo-jaza, hoy indray ity mpikambana ao amin’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier ity tamin’ny faran’ny herinandro teo. Tsy manana 300 miliara ariary mantsy ny fanjakana hamaliana ny fangatahan’ny mpiasam-bahoaka toy ny tsy fisian’ilay 40 tapitrisa dolara ihany koa hividianana helikoptera hampandriana fahalemana ireo faritra 22. 

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT