Toekarena

Grevin’ny fadin-tseranana Mila vahan’ny fanjakana haingana, hoy ny SIM


  • Alakamisy 06 Jolay 2017

Mila vahan’ny fanjakana haingana ny olan’ny fadin-tseranana eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny SIM (Syndicat des Industries de Madagascar) Fredy Rajaonera. Asa maro mantsy no miato vokatr’io fitokonan’ny mpiasan’ny ladoany io.

Mijanona tanteraka, ohatra, ny fanondranana entana mankany amin’ireo tsenam-barotra any ivelany ataon’ny orinasa mpamokatra Malagasy. Mikatso ihany koa ny fanodinam-bokatra avy eto an-toerana noho ireo akora vahiny ampiasain’ny indostria Malagasy tsy mivoaka eo anivon’ny fadin-tseranana. Ahiana mihitsy moa ny fahatapahan’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanjifa avy any andafin’ny riaka raha tsy mandray andraikitra malaky ny fitondram-panjakana, araka ny fanazavany. Mitohy tsy tapaka kosa hatreto ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana, hoy ny mpitarika ny SIM. Lahadiniky ny roa tonta ankehitriny, ohatra, ankehitriny ny fitantanan’ny sehatra tsy miankina ny famatsiambola azo avy amin’ny IFC (International Finance Corporation) sampana iray eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena nandritra ny fikaonandohan’ireo mpamatsy sy mpampiasa vola tany Paris ny volana desambra 2016.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT