“Tsy marina ny filazana fa efa mitrandraka ny ‘graphite’ ao Ambatolampy Savalaina Ambinaninony izahay; mbola fikarohana ny misy ary mbola izay fahazoan-dalana azonay izay no ataonay izao…”,
izay no nambaran’Atoa Rasangarivony Harifidy Fidèle injeniera mikasika ny harena ambanin’ny tany eo anivon’ny orinasa “DNI Metals” avy any Kanada.Enim-bolana ny fahazoan-dalana azon’ity orinasa manao fikarohana mikasika ny ho fitrandrahany “graphite” ao Ambatolampin’i Savalaina Brickaville ity, izay nosoniavin’ny talem-paritanin’ny harena ambanin’ny tany sy ny solika Toamasina Atoa Amable Benjamin. Saingy miato io fikarohana io izao araka ny fifanarahana teo amin’ny orinasa sy ny fokonolona, noho olana nateraky ny ben’ny tanana teo aloha nitarika ny mponina sasany hanohitra ity orinasa ity, izay tsy eken’ny mponina ao Ambatolampy ny fitiavan-tenany. Raha ny zava-misy teny an-toerana dia misy ilay asa sosialy, isan’izany ny fanokafana ny lalana 4 km, ny vovon-drano hasiana mpaompy, fanamboarana kianja filalaovana baolina, mbola ho avy kosa ny fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra alohan’ny fidirana ny fiandohan’ny volana oktobra ho avy izao. Efa saika nahazo ny vola araka ny fifanarahan’ny tompony sy ny orinasa kosa ireo fianakaviana 21 tamin’ny 24, simba voly sy lasa tany tamin’ireto asa sosialy nataon’ny orinasa “DNI Metals” izao. Ireo telo ambiny tsy mbola naka ny volany kosa dia fianakavian’ilay ben’ny tanana mitarika ny olona hikorotana. “Nanao ny fomban-drazana Betsimisaraka ho fangatan-dalana hiditra amin’ny asa atao ny orinasa alohany nanaovany fikarohana aty aminay, ka nekenay izany satria hitondra fampandrosoana ho an’ny tanananay”, hoy ny filoham-pokontany Atoa Raymond sy ny vavanjaka Atoa Augustin, ka tsy izahay izao indray no tsy hanaiky izany, nefa ny zanakay ihany no miasa ao izao.“Nanara-dalana tanteraka ny orinasa ‘DNI Metals’ tamin’ny fikarohana nataony, satria tany efa nanan-tompo hatramin’ny 2010 izy ity, ka ny tompony indray no nitady mpiara-miombona antoka aminy ny taona 2015 ka izay nanamboka izao ny fikarohana ataon’izy ireo”, hoy Atoa Amable talem-paritan’ny harena ambanin’ny tany sy solika eto Toamasina namanarana ny fanazavany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.