be dia be saingy…»
Malahelo ny tena satria miendrika fanaovana varoboba ny harem-pirenena ny tsy firosoana amin’ny “Création de Valeur” na famoronana harena eto Madagasikara, hoy ny mpandraharaha sady mpampianatra, Rija Randriamalalaniaina. Efa misy fitrandrahana “Graphite” na Grafita marobe eto fa ny vahiny no mahazo tombontsoa, hoy izy. Tsy misy fanodinana izay miteraka famoronana harena eto. Manana Grafita izay faran’ny tsara manerantany i Madagasikara, izay antsoina hoe “Superflake” satria lehibe sy madio kokoa ny “flocons”. Vinavinaina eo amin’ny 27 tapitrisa Taonina eo ny tahiry ananantsika, izany hoe 8%n’ny tahiry manerantany. Akora stratejika izy io satria ny fiara mandeha amin’ny herinaratra iray dia mila Grafita 50 hatramin’ny 70kg. Ny olana nefa dia “Graphite concentré” na akora voalohany amin’ny Grafita no aondrantsika dia ny hafa no misitraka ny harena. Ny «Graphite concentré» no avadika ho «Graphite Purifié» na Grafita voadio, izay avadika ho «Graphite Sphérique» na voahodina ary avy eo avadika ho «Matériaux d’anode (CSPG / AAM)» ilay ilaina amin’ny bateria. Raha manondrana 1 tapitrisa Taoninana «Graphite concentré» isika dia lasa 950.000 Taoninana «Graphite purifié» na 427 500 Taoninana «Graphite sphérique» ary 444 600 Taoninana «matériaux d’anode». Raha vinavinaina ho 900 tapitrisa USD ny vidin’izany «Graphite concentré» izany ankehitriny dia tonga 2,85 miliara Dolara raha «Graphite purifié». 2,99 miliara Dolara raha «Graphique sphérique». 4,44 miliara Dolara raha «matériaux d’anode». Ny famoronana asa aterak’izany moa dia tombony fotsiny. Raha atomboka amin’ny “Purification” na fanadiovana izany ny asa fanodinana eto Madagasikara dia efa mitombo avo 3 heny ny harena vokarina eto, hoy hatrany ny fanazavàn’ity tekinisianina ity.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.